Ny PCQVP dia tambajotram-piaharamonim-pirenena mitovy vina ary mitambatra ho amin’ny ady ny amin’ny fisian’ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany. Izany dia natao mba hahatonga ireo tombotsoa azo avy amin’ny solika, entona ary ny harena ankibon’ny tany hipaka amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny isambatan’olona, indrindra ho an’ireo firenena manankarena amin’ny harena ara-voajanahary.
Tamin’ny taona 2002 no niforona ny PCQVP ary nanentana ny mba amoahana ampahibemaso ny fandoavam-bola izay ataon’ireo orin’asa mpitrandraka any anivon’ny fitondram-panjakana, ary ireto farany kosa dia ny amin’ny amoahany ny tamberim-bidy voarainy. Lasa fivondronana fikambanana maneran-tany ny PCQVP ka maherin’ny 700 ireo fiarahamonim-pirenena miparitaka amin’ny firenena 45. Ny « Initiative pour la Transparence des Industries Extractives (ITIE) » dia teraka tamin’ny alalan’io fanentanana io ihany koa. Ankehitriny dia maherin’ny 50 ireo firenena mamoaka tatitra mikasika ny ITIE ary iray amin’izy ireny Madagasikara. Miha-mivoatra hatrany ireny tatitra ireny ka milaza ny antsipirihany mikasika ny fampidiram-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny solika, entona ary ny harena ankibon’ny tany. Arakan y paik’adiny, ny PCQVP dia miasa hampiroboroboana ny fangaraharana, ny tamberin’andraikitra ary ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny antanan-tohatra rehetra mahakasika ny seha-pitrandrahana. Izany dia ny vondrom-bahoaka eny ifotony ka hatramin’ny fitondram-panjakana, ireo mpitantana eny anivon’ny faritra.
Ny PCQVP eto Madagasikara dia misehatra amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ary miady ho amin’ny fisian’ny fitantanana mirindra sy mangarahara. Tamin’ny taona 2012 no niforona ny Fikambanana taorian’ny fifidianana natao nandritran’ny fivoriam-be nikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena miisa 69 manerana ny nosy izay niantsorohan’ny Catholic Relief Services (CRS) tamin’ny alalan’ny tetik’asa Taratra. Io tetik’asa io moa dia tetik’asa manao hay taky ny amin’ny hisian’ny fitantanana mirindra eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny teo anivon’ny “conference” Eveka eto Madagasikara.
Ny PCQVP eto Madagasikara dia tafiditra anatin’ireo hetsika PCQVP amin’ny ilany Atsinanana sy Atsimon’ny Afrika; fa noho izy firenena zana-tany Frantsay dia aty amin’ny faritra Afovoany mampiasa ny teny Frantsay no vondrona misy azy, ka mandray baiko avy amin’ny Foiben’ny PCQVP maneran-tany.
Ny vina-ny dia: «hananetsika ireo fiaraha-monim-pirenena ho hery iray matanjaka eto amin’ny firenena ka afaka hipaka eo amin’ny fitantanana ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany mba hisokatra, mba hisian’ny tamberin’andraikitra, mba ho marina, haharitra ary mba tsy hitanila ka hitondra fampandrosoana sy tombotsoa ho lovain-jafy».
Ny mpikambana ao anatin’ny PCQVP MG dia ireo fiaraha-monim-pirenena sy olom-pirenena misehatra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny harena ankibon’ny tany, fa ihany ko any tontolo iainana, ny zon’olombelona, ny fananan-tany ary hafa. Ireo fiarha-monim-pirenena ireo dia miray saina ny amin’ny fahafantarana fa: ny telo ampaha-efatry ny mponina Malagasy dia mivelona ambanin’ny ny tahan’ny fahantrana, anefa fantatra fa I Madagasikara dia firenena manankarena ara-voa-janahary ary afaka misintona ireo mpampiasa vola vahiny. Noho izany no nahatonga ny fikambanana niray hevitra ny amin’ny fitakiana ny tamberim-bidy azo avy amin’ireny fitrandrahana ireny mba hipaka amin’ny fampandrosoana marina sy fanatsarana ny fiainan’ny mponina ao aminy. Hatramin’ny taona 2012, di any KMF/CNOE, ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG) ary farany dia ny tetik’asa TARATRA no lany ho mpandrindra nasionaly.
Tamin’ny taona 2020 dia ny TI-MG no lany ho mpandrindra nasionalin’ny Fikambanana PCQVP MG mandritra ny roa taona ho avy. Ireo fiarahamonim-pirenena mandrafitra ny birao kosa dia toy izao:
Ny PCQVP eto Madagasikara dia nandray anjara tamin’ireo asa nataon’ny PCQVP tamin’ny ankapobeny, anisan’izany ny:
Na dia teo aza ny fahasahiranana manoloana ny tsy fananana enti-manana ho an’ny Fikambanana PCQVP MG, dia tsy nanakana ny fiaraha-miasa tamin’ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny ALT-UK na ny PCQVP tamin’ny firenena hafa di any PCQVP UK sy ny PCQVP tamin’ny faritra hafa ihany koa.
Ny fiaraha-miasa tamin’ny ALT-UK sy PCQVP UK dia nahafahana nanentana mikasika ny fanaraha-maso ny tontolo iaianana indrindra ny fahafahana nanamarina ny fisian’ny singa simika ao anatin’ny rano manakaiky ny fitrandrahana ataon’ny Rio Tinto/QMM eto Madagasikara. Tamin’ny volana Febroary 2020 dia nisy noho izany ny fifanaraham-piarahamiasa nosoniavin’ny PCQVP MG sy ny Cour des comptes mikasika ny fikarohana manokana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Io fiaraha-miasa io moa dia tafiditra tao anatin’ny fanataterahana ny « Programme d’Appui à la surveillance des industries extractives (PASIE) ».
Tamin’ny taona 2017, nisy fifanaraham-piarahamiasa niarahana tamin’ireo mpiaramombon’antoka taty amin’ny PCQVP taty amin’ny faritra Atsinanana sy Atsimon’ny Afrika tamin’ny alalan’ny tan-tsoroka Southern Africa Ressources Watch (SARW) sy ny famatsiam-bolan’ny Open Society Initiative for Southern Africa (OSISA). Izany dia nahafahana nanohana ireo rafitra ara-panjakana ary nivoizana tanjona roa mazava:
Ny paik’adin’ny Fikambanana ao anatin’ny telo taona manaraka dia ny fahafehezana ny manodidina ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, eo ihany koa ny lafiny fanarahana ny fepetra mikasika ny làlana
Ny ITIE dia mahatsapa fa manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny akora fototra ilaina eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia maro ireo firenena no tafalatsaka anty fahasahiranana ka bokan’ny trosa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ara-bola sy ny fandrindrana amin’ny ankapobeny. Marihina fa isaky ny tetik’asa na mikasika ny solika na ny eo amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany dia mila manana drafitra manokana izy ireny eo anivon’ny fanjakana. Nohon’ny tsy fahampiana traikefa eo amin’ireo mpitantana ara-panjakana sy ireo fiarahamonim-pirenena niofana manokana mikasika ny hetra, ny fanjakana dia mahatsiaro fatiantoka manoloana ireo tombom-barotra awo avy amin’ny hetra. Tsara marihina anefa fa maro ny vokadratsy ateraky ny fitrandrahana na ny lafiny sosialy na tontolo iainana, noho izany ireo harena ara-voajanahary tsy azo avaozina toy ny harena ankibon’ny tany dia tokony hahazoana tombony entina hamatsiana fotodrafitr’asa maharitra ho an’ny firenena sy ny taranaka rehetra.