Mamoaka ny marina
Fantaro izahay
Icon PWYP

Fantaro izahay

Fiandohana sy antom-pisian’ny Fikambanana PCQVP MG

Ny PCQVP dia tambajotram-piaharamonim-pirenena mitovy vina ary mitambatra ho amin’ny ady ny amin’ny fisian’ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany. Izany dia natao mba hahatonga ireo tombotsoa azo avy amin’ny solika, entona ary ny harena ankibon’ny tany hipaka amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny isambatan’olona, indrindra ho an’ireo firenena manankarena amin’ny harena ara-voajanahary.
Tamin’ny taona 2002 no niforona ny PCQVP ary nanentana ny mba amoahana ampahibemaso ny fandoavam-bola izay ataon’ireo orin’asa mpitrandraka any anivon’ny fitondram-panjakana, ary ireto farany kosa dia ny amin’ny amoahany ny tamberim-bidy voarainy. Lasa fivondronana fikambanana maneran-tany ny PCQVP ka maherin’ny 700 ireo fiarahamonim-pirenena miparitaka amin’ny firenena 45. Ny « Initiative pour la Transparence des Industries Extractives (ITIE) » dia teraka tamin’ny alalan’io fanentanana io ihany koa. Ankehitriny dia maherin’ny 50 ireo firenena mamoaka tatitra mikasika ny ITIE ary iray amin’izy ireny Madagasikara. Miha-mivoatra hatrany ireny tatitra ireny ka milaza ny antsipirihany mikasika ny fampidiram-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny solika, entona ary ny harena ankibon’ny tany. Arakan y paik’adiny, ny PCQVP dia miasa hampiroboroboana ny fangaraharana, ny tamberin’andraikitra ary ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny antanan-tohatra rehetra mahakasika ny seha-pitrandrahana. Izany dia ny vondrom-bahoaka eny ifotony ka hatramin’ny fitondram-panjakana, ireo mpitantana eny anivon’ny faritra.

Ny Fikambanana PCQVP eto Madagasikara

Historique et évolution

Ny PCQVP eto Madagasikara dia misehatra amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ary miady ho amin’ny fisian’ny fitantanana mirindra sy mangarahara. Tamin’ny taona 2012 no niforona ny Fikambanana taorian’ny fifidianana natao nandritran’ny fivoriam-be nikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena miisa 69 manerana ny nosy izay niantsorohan’ny Catholic Relief Services (CRS) tamin’ny alalan’ny tetik’asa Taratra. Io tetik’asa io moa dia tetik’asa manao hay taky ny amin’ny hisian’ny fitantanana mirindra eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny teo anivon’ny “conference” Eveka eto Madagasikara.
Ny PCQVP eto Madagasikara dia tafiditra anatin’ireo hetsika PCQVP amin’ny ilany Atsinanana sy Atsimon’ny Afrika; fa noho izy firenena zana-tany Frantsay dia aty amin’ny faritra Afovoany mampiasa ny teny Frantsay no vondrona misy azy, ka mandray baiko avy amin’ny Foiben’ny PCQVP maneran-tany.
Ny vina-ny dia: «hananetsika ireo fiaraha-monim-pirenena ho hery iray matanjaka eto amin’ny firenena ka afaka hipaka eo amin’ny fitantanana ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany mba hisokatra, mba hisian’ny tamberin’andraikitra, mba ho marina, haharitra ary mba tsy hitanila ka hitondra fampandrosoana sy tombotsoa ho lovain-jafy».

Ny mpikambana ao anatin’ny PCQVP MG dia ireo fiaraha-monim-pirenena sy olom-pirenena misehatra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny harena ankibon’ny tany, fa ihany ko any tontolo iainana, ny zon’olombelona, ny fananan-tany ary hafa. Ireo fiarha-monim-pirenena ireo dia miray saina ny amin’ny fahafantarana fa: ny telo ampaha-efatry ny mponina Malagasy dia mivelona ambanin’ny ny tahan’ny fahantrana, anefa fantatra fa I Madagasikara dia firenena manankarena ara-voa-janahary ary afaka misintona ireo mpampiasa vola vahiny. Noho izany no nahatonga ny fikambanana niray hevitra ny amin’ny fitakiana ny tamberim-bidy azo avy amin’ireny fitrandrahana ireny mba hipaka amin’ny fampandrosoana marina sy fanatsarana ny fiainan’ny mponina ao aminy. Hatramin’ny taona 2012, di any KMF/CNOE, ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG) ary farany dia ny tetik’asa TARATRA no lany ho mpandrindra nasionaly.
Tamin’ny taona 2020 dia ny TI-MG no lany ho mpandrindra nasionalin’ny Fikambanana PCQVP MG mandritra ny roa taona ho avy. Ireo fiarahamonim-pirenena mandrafitra ny birao kosa dia toy izao:

Ny zava-bita

Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Ny PCQVP eto Madagasikara dia nandray anjara tamin’ireo asa nataon’ny PCQVP tamin’ny ankapobeny, anisan’izany ny:

  • Ny fivorian’ny PCQVP teto Afrika izay natao tany Sally, Sénégal ny volana jolay 2016, izay nijerena ireto teboka manaraka ireto :
    • Fametrahana ny lamina mba ahafahan’ireo PCQVP manerana izao tontolo izao mifidy izay hisolo tena azy ireo eo anivon’ny vondron’ny mpanolo-tsain’ny PCQVP manerana izao tontolo izao sy ny komity mpanatanteraka aty Afrika izay mifanaraka amin’ny làlana mifehy ny fitantanana ny PCQVP
    • Ady hevitra mikasika ny paik’adin’ny xs
    •  Fanamafisana ny traik’efan’ny Fikambanana PCQVP mahakasika ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, ny fangaraharana eo amin’ny lafiny fifanarahana, famoahana ny lafiny ara-bola, ny tontolo iainana ary ny fiovaovan’ny toetry ny andro
  •  Manarak’izany ny fivoriana faha-6 natao tany Livingstone, Zambie ny volana jolay 2017 izay nahafahana:
    •  Namantatra ireo laharam-pahamehana ahafahana mametraka ny paik’ady ho an’ny firenena Afrikana ho an’ny telo taona manaraka
    •  Fanamafisana ny traikefan’ireo mpikambana eo anivon’ny PCQVP aty Afrika mikasika ny fangaraharana, fampandraisa andraikitra, faharetan’ny fitrandrahana ary ny fitantanana tsy mitanila eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana
    • Fifidianana ny Komity vaovao hitantana ho an’ny firenena Afrikana izay hanome ireo paik’ady hoentina manatateraka ny vinan’ny PCQVP aty amin’ny firenena Afrikanina
  • Ny fivoriam-be tany Dakar, Sénégal tamin’ny volana janoary 2019 niompana tamin’ireto tanjona ireto:
    • Hitarika sy hanentanan ireo mpikambana eo anivon’ny PCQVP manoloana ny paik’ady maneran-tany dia ny hanamarinana marina fa misy tombontsoa azon’ny olom-pirenena ny fitrandrahana ary mitondra fampandrosoana maharitra izany
    •  Fampiasana ny paik’adin’ny PCQVP maneran-tany (2020-2025)
    • Fifidianana ny mpanolo-tsaina maneran-tanin’ny PCQVP mba hitarika ny paik’ady maneran-tany
    • Fanamafisana ny soatoavina sy ireo fenitra mikasika ny fitantanana ny PCQVP
    • Fanamafisana ny traik’efan’ny mpikambana PCQVP manoloana ny sehatra voakasiky ny paik’ady maneran-tany
    • Fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpikambana, fanamorana ihany koa ny fifanakalozana traik’efa ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy PCQVP manerana izao tontolo izao
  • Ny fivoriana tany Abidjan, Côte d’Ivoire tamin’ny volana jolay 2019 izay nahafahana nijery ireo laharam-pahamehana ho an’ny PCQVP eto Madagasikara dia ny:
    • Fitsinjarana ny fidiram-bola azo avy amin’ny fitrandrahana
    •  Fangaraharana eo amin’ny tatitra mikasika ny fiantraikan’ny tontolo iainana
    • Fangaraharana eo amin’ny lafiny fitrandrahana
    • Fahavitan’ny paik’ady famapndrosoana

Ireo asa natao

Na dia teo aza ny fahasahiranana manoloana ny tsy fananana enti-manana ho an’ny Fikambanana PCQVP MG, dia tsy nanakana ny fiaraha-miasa tamin’ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny ALT-UK na ny PCQVP tamin’ny firenena hafa di any PCQVP UK sy ny PCQVP tamin’ny faritra hafa ihany koa.
Ny fiaraha-miasa tamin’ny ALT-UK sy PCQVP UK dia nahafahana nanentana mikasika ny fanaraha-maso ny tontolo iaianana indrindra ny fahafahana nanamarina ny fisian’ny singa simika ao anatin’ny rano manakaiky ny fitrandrahana ataon’ny Rio Tinto/QMM eto Madagasikara. Tamin’ny volana Febroary 2020 dia nisy noho izany ny fifanaraham-piarahamiasa nosoniavin’ny PCQVP MG sy ny Cour des comptes mikasika ny fikarohana manokana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Io fiaraha-miasa io moa dia tafiditra tao anatin’ny fanataterahana ny « Programme d’Appui à la surveillance des industries extractives (PASIE) ».
Tamin’ny taona 2017, nisy fifanaraham-piarahamiasa niarahana tamin’ireo mpiaramombon’antoka taty amin’ny PCQVP taty amin’ny faritra Atsinanana sy Atsimon’ny Afrika tamin’ny alalan’ny tan-tsoroka Southern Africa Ressources Watch (SARW) sy ny famatsiam-bolan’ny Open Society Initiative for Southern Africa (OSISA). Izany dia nahafahana nanohana ireo rafitra ara-panjakana ary nivoizana tanjona roa mazava:

  • Fanatsarana ny fifehezan’ireo mpikambana PCQVP eto Madagasikara ny paik’ady maneran-tanin’ny PCQVP ho amin’ny 2020-2025 mba tsy hifanipaka
  • Fanamafisana ny fahaiza-mitondra, sy mitantana ary ny traik’efan’ny PCQVP MG mba hahatonga azy ireo hahaleo tena, hatanjaka amin’ny hay taky mikasika ny fangaraharana sy fampandraisana andraikitra

 

Ny zava-misy ankehitriny eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara

Ny paik’adin’ny Fikambanana ao anatin’ny telo taona manaraka dia ny fahafehezana ny manodidina ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, eo ihany koa ny lafiny fanarahana ny fepetra mikasika ny làlana

Ireo fanamby manokana takian’ny ITIE Madagasikara

Ny ITIE dia mahatsapa fa manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny akora fototra ilaina eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia maro ireo firenena no tafalatsaka anty fahasahiranana ka bokan’ny trosa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ara-bola sy ny fandrindrana amin’ny ankapobeny. Marihina fa isaky ny tetik’asa na mikasika ny solika na ny eo amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany dia mila manana drafitra manokana izy ireny eo anivon’ny fanjakana. Nohon’ny tsy fahampiana traikefa eo amin’ireo mpitantana ara-panjakana sy ireo fiarahamonim-pirenena niofana manokana mikasika ny hetra, ny fanjakana dia mahatsiaro fatiantoka manoloana ireo tombom-barotra awo avy amin’ny hetra. Tsara marihina anefa fa maro ny vokadratsy ateraky ny fitrandrahana na ny lafiny sosialy na tontolo iainana, noho izany ireo harena ara-voajanahary tsy azo avaozina toy ny harena ankibon’ny tany dia tokony hahazoana tombony entina hamatsiana fotodrafitr’asa maharitra ho an’ny firenena sy ny taranaka rehetra.

Mpikambana

Mpiara miombona antoka